Tamin'ny Janoary 2003 raha nataoko hafatra tao
amin'ny tranonkala http://www.serasera.org io tononkalo
io dia nisy namaly. Indro atolotro eto izany. Mankasitra ireo namaly e
Setriny voalohany
saint_roman@gmx.at wrote
Tsy faniriako
Tsy ho tiako
Ny hahita fahoriana ... hikipiana...
Nefa zava-mahazatra
Ka tsy ataon'ny hafa handratra
Ny any anatiny any akory ... mampahory ...
SR
Setriny faharoa
----- Original Message ----- From:
"Tsilavo" <tsilavo2@yahoo.co.jp
To:
<>Sent: Friday, January 17, 2003 7:31 PM
Subject: Re: [serasera] DIA HO ZATRA VE?
Tsy hoe "zatra" tsy akory
Sanatria anie izany !
Fa ny tena koa mba ory,
efa ontsan' ny tomany.
Efa donton-tsorisory
Aty am-para-vazan-tany
Indrisy, vato boribory
Tena lavitry ny akany.
Tsilavo Ratsimideratena
Setriny fahatelo (Zatra kah!)
De Rakotoarisoa
Date : dimanche 19 janvier 2003 09:51:11
A : serasera@yahoogroupes.fr
Sujet :[serasera] Re: DIA HO ZATRA VE?
Tsy mba afaka migafy
Na dakaina f'ondry botry.
Nobeazina hiafy,
Kely aina, tsy mba "voky".
Efa zatra tolotolotra
ka tsy hiondrika hiasa
Ny finoana no eo imolotra
Dia ho vita izay kinasa ...
"Tsiky dia ampy..."
Eugene Heriniaina
Tsiky dia ampy dia azo adika hoe "Smile and live..." na "Sourire
avant tout..." na "Lachle und lebe..." na ...
|