mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?

FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

ho an'ilay tiako

Voatavo

Voatavo

Ny Maraina

T iako ianao toy ny voatavo :
Raha mbola voninkazo ho koloiko tsy halazo.
Fitia vao mitsiry angamba? Antenaina tsy ho rava ...
Marainan'ny fiarahantsika : mifampitaiza tsy haditra .

Ny Antoandro

T iako ianao toy ny voatavo :
Tanora ianao, atao sakafo
Miam! Miam! Tendan-kanina !
Afa-po ka dia milamina ...
Izany no antoandrontsika : fitia matsiro tsy mba ritra !

Ny Hariva

T iako ianao toy ny voatavo :
Nony antitra sy tola, ataoko tohan'ny valiha
Vao safoiko moramora dia mikalo indray fitia ...
Ka ny harivantsika : mafana tsy mba mangatsiaka ...
Ho sambatra aho hiravoravo
Raha tianao toy ny voatavo .

Ny Alina

H ody vovoka ny nofo ao ambany rangolahy
'Lay fitiavana tsy hiofo: mbola misy ny fanahy !
Ny alintsika aký mazava : diavolan-dalandava !
Feheziko eto izay voalaza :
Fitiavantsika mbola avo noho ny fitia voatavo.

Eny aky hatram'izao dia mbola tiako foana ianao
Andraikaky amin-drayneny ô !

09 Janoary 2003

Noantsain'i Andamioly

Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle