mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?

FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

Olona izy fa tsy alika vavy

« Olona izy fa tsy alika vavy »

Mpampody vady mifona

- Ny saina tsy tony, ny fo tsy salama,
Tosi-drà miakatra ambony tsy tana,
Very fanahy ka mivaha miparitaka ...
Ny vady tsy foy nahasahy nisintaka .

Ny maso milentika mando sy mena
Ny orona tsentsina seriserena
Rehefa tsy mahita anao elaela
O Ravaditsifoikokanefanamela.
Nisy ihany nety natao tsindry fe
Fa hafa ihany ianao Ravadibe
Ka mitalaho be sy mifona aminao
Miverana modia re raha mbola azo atao !

Setriny

- O Ratiakofahininavelakoteo
Izao ianao dia miseho mitoreo ?
Tsara fa tara hoy Raleoninandefitra
Ny « mifona aho malala » efa reko matetika

Hadinonao sahady ve ?
Ireo teny sy latsa,
Ireo trerona be,
Sintom-bolo sy daka,
Ireo teham-pify tsy nisy an-kitsitsy !
Pà pà pà ! Ny oroko impiry niboba rà !

Ianao raha mamo toaka, na mamo jamala
Be fiavy sendaotra, toa olona adala.
Baikonao aho « Matoria ! » dia matory ...
Baikonao « Mandadiza ! » dia mandady ...
Matahotra mantsy, fa ambananao antsy !
Dia vetavetainao toy ny tsy vady ...

Mihetsika anio ny hambom-pom-behivavy !
Ka miala tsiny, manao aza fady
Ny aty efa tofoka resa-matavy
Manombok'izao aza reraka miandry,
'Reo « tsindry fe-nao » no omeo tambitamby.
Ataovy anatra ho amin'ny ho avy,
Mba asio hajany ihany ny vady !
Olombelona izy fa tsy alika vavy !

Mpampody vady tezitra

- Andana koa mahazo f'izaho tsy mila
Vehivavy matin-kambo sy be filafila !

Setriny

- Jereo izato ianao, fa maharikoriko
Lasa ankahalaiko na dia mbola tiako.
Tapero ny resaka aza tohizana
Fa leo be aho no tena efa vizana.

Mpampody vady vao mainka romotra

- Kala alika vavy ity ! ! !

Setriny

- ? ? ?

Bana Rahalahy 21 Septambra 2005

Noantsain'i Bana Rahalahy si i Lalaina

Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle