mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?

FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

ho an'ny namana Ramy

Ramy sy Voahangy

Ramy sy Voahangy

Izay fifandrifian-javatra amin'ny zava-nisy, zava-misy ary mety hisy
dia tsy vokatry ny kisendrasendra akory ...

Tranombahiny "Malaza Hotel", efitra faha-5,
amin'ny 8 ora alina.

Fandriana mikorontana, lamba miforiporitra ... Mijery fitaratra mamatotra fehitenda Rangahy iray bebe kibo, sola loha, tsy hay vinaniana izay tena mety ho taonany. Faohiny amin'ny vohon-tanany ny dinitra tazany nanjelatra teny amin'ny handriny notarafin'ny jiro. Hita soritra eny amin'ny tarehiny fa anisan'ilay hoe tsy mandalo katsa-maina itony izy.

Mijoro eo an-tongom-pandriana, ampela soa tanora manisa vola ... Nalaminy kely ny volony somary nikorontana teo dia nanatona ny varavarana hivoaka ny efitra izy ...

- Ahoana amin'ny herin'ny androany? hoy ilay Rangahy tsy nijery azy mivantana fa notazaniny avy eo amin'ny fitaratra fotsiny.

- Antsoy aty aho dia ho lazaiko anao eo ... hoy razazavavy sady nivoaka malaky izy.

Tranombahiny "Malaza Hotel", efitra fiandrasana,
amin'ny 8 ora sy fahefany ...

Toy ny mahazatra azy dia tsy mba diso fotoana i Ramy tonga miandry ny olon-tiany. Raha vao avy mampianatra Karate izy dia misaika malaky ary mandeha mamonjy an'i Voahangy any am-piasany. Mirava tara mantsy ilay Malala, ka tsy maintsy mba mitsena sao dia misy manadala. Anisan'ny nikoizana tamin'ny fanatanjahan-tena i Ramy, indrindra moa raha Karate na Aikido no asian-dresaka ...

Amin'ny 8 ora sy sasany ao an-tokotanin'ny tranombahiny "Malaza Hotel", antsô izato izy roa mifampitantana hamonjy fodiana, mifampitosy mandeha moramora ... Piiip!!! Piiip!!! Nampaneno fanairana ity rangahy bebe kibo sola ao anaty fiara tsara tarehy. Saika nahavoadoana ve? Sa filazana amin'i Kala hoe amin'ny manaraka indray?

Tsy angano na arira fa tantara niseho tao Bira. Taona 1998. Tena sarotra tokoa ny fiainana moa. «Ny vola no ody fitia tena mahery!»

Taona vitsivitsy taty aoriana. Fotoam-pialan-tsasatra ...

Mitsangantsangana eny amin'ny araben'ny fahaleovan-tena ao Antsirabe aho no injay misy miantso avy ao aoriana:

- Aiza ry Dadamary an!

Niherika aho. Tsy tonga dia fantatro teo no ho eo ilay lehilahy mahia efa varimbarin'ny toaka sady mena maso nanatona ahy.

- Hay ve Ramy ity e! Ahoana? Inona no malaza?

- Izao e! Any aminareo ny malaza fa ny anay eto ny malazo no betsaka. Ny omaly tsy miova e! Sao dia mba misy kely azo sotroina aloha any aminareo any e?

Izay ilay feo hoy aho anakampo. Mahagaga fa dia hataka toaka foana no eo am-bavan'ireo namana fahiny somary sahirana raha vao mifanena amin'ny tena.

- Fa ahoana aloha ianareo ity e? Hoy aho tsy te hanohy ny resaka toaka.

Namonjy nipetraka izy fa hitako somary efa reraka, ary teo dia tsikaritro ny masony roa somary nanjelanjelatra mandomando na dia nahodina kely aza ny lohany noho ny henatra? Dia notantarainy tamiko ny tantaran'izy sy Voahangy olon-tiany izay lasa vadiny moa taty aoriana.

- Voahangy anie niasa tamin'itsy hotely ngeza be itsy e! Asa lehitsy fa jamban'ny fitiavana loatra angamba aho ka efa tena ela be mihitsy vao fantatro hoe inona marina moa no tena asany tao ...

Bana Rahalahy Mey 2005

Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle