mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?

FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

ho an'i Sahy

Adin-jaza

Adin-jaza

(Tantara marina)

Talata 15 martsa 2005

Eo an-tokotanin'ny sekoly ao amin'ny tanàna iray tsy lavitra an'i Parisy. Ora fakan-drivotra ho an'ny kilasy garabola. Zazavavy kely malagasy S... telo taona sy tapany mifamaly amin'ny namany vazaha vavy kely T... iray kilasy aminy :

- Mon Papa, il s'appelle Dada
- Non!
- Si!
- Ma Maman, elle s'appelle Neny
- Non!
- Si!
- N'importe quoi

Nihamafimafy kokoa ny fifamaliana :

- Ma mamie, elle s'appelle Bebe!!!
- Non!!!
- Si!!!
- Mon papy, il s'appelle Dadabe!!!
- Non!!!
- Si!!!
- N'importe quoi!!!

Sady nanatona handrangotra ilay vazaha kely ... ny an'i S... nefa no tonga aloha ny fiarovan-tena ... Nitomany ilay vazaha kely sady lasa ...

Alarobia 16 martsa 2005

Andro tsy fianarana. Toy ny fanaony dia manararaotra mamonjy ahy vao maraina ao am-pandriana i S ... Mipetraka eo an-tongo-parafara izy ary manomboka mitantara, badabada lela :

- Hitanao, i T... maditra fa tamy le omaly zà tany am-pianarana an ...

Teo ampihainoana an'i S... nangoritsina ny tenako manontolo sady narikoditra aho ka nitsangana ny volon-tanako ... Nofihiniko mafy teo an-tratrako izy sady nataoko mamikely ...


Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle