Bana Rahalahy Maro biby sarobidy ao Gasikara ao Zava-maniry tsy fahita firy ao Gasikara ao Madagascar sur ta terre des animaux rares Madagascar sur ta terre des plantes rares Pour combien de temps encore? |
FIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany
|
ho an'i Sahy
Adin-jaza(Tantara marina) Talata 15 martsa 2005 Eo an-tokotanin'ny sekoly ao amin'ny tanàna iray tsy lavitra an'i Parisy. Ora fakan-drivotra ho an'ny kilasy garabola. Zazavavy kely malagasy S... telo taona sy tapany mifamaly amin'ny namany vazaha vavy kely T... iray kilasy aminy :
- Mon Papa, il s'appelle Dada Nihamafimafy kokoa ny fifamaliana :
- Ma mamie, elle s'appelle Bebe!!! Sady nanatona handrangotra ilay vazaha kely ... ny an'i S... nefa no tonga aloha ny fiarovan-tena ... Nitomany ilay vazaha kely sady lasa ... Alarobia 16 martsa 2005 Andro tsy fianarana. Toy ny fanaony dia manararaotra mamonjy ahy vao maraina ao am-pandriana i S ... Mipetraka eo an-tongo-parafara izy ary manomboka mitantara, badabada lela : - Hitanao, i T... maditra fa tamy le omaly zà tany am-pianarana an ... Teo ampihainoana an'i S... nangoritsina ny tenako manontolo sady narikoditra aho ka nitsangana ny volon-tanako ... Nofihiniko mafy teo an-tratrako izy sady nataoko mamikely ... |
|
© 2006-2009 Jean Marline-All rights reserved - www.c.la - mpitsidika hatramin'ny 26-Feb-2008 |