mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?

FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

Fay

Fay


Niala tamiko
ny mamiko ...

Raha lasa ianao Malala
Lasa ny Fanantenana ...
Mangatsiaka ny ao anaty
Mamanala toy ny maty !
Babangoana
Rava, foana !

Ka inona intsony ny amiko ?
Ny herin-tsaina, herim-po
Ritra, fongana avokoa ...

Hoy ny manodidina ahy :
«Mitrakà fa lehilahy !»
Diso henoko matetika ,
Toa vao mainka mampilentika !

Inona àry no hatao
Mba hampientana indray ?
Hanorina fitia vaovao ?
Voafitaka aho ka tena fay !
Aok'izay !

Hatory kely haka saina
Hitako eo rehefa maraina ...

Bana Rahalahy 30 Marsa 2006

Noantsain'i Bana Rahalahy

Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle