Maro biby sarobidy ao Gasikara ao Zava-maniry tsy fahita firy ao Gasikara ao Madagascar sur ta terre des animaux rares Madagascar sur ta terre des plantes rares Pour combien de temps encore?
FIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany "Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"
Ny
saina toa mivoraka? Malaky! Fanafody tokana :
Manoratra, manoratra ...
Maratra fo? Mitomany? Ny fanefitra am'izany :
Lahatsoratra voakaly !
Voafingana ka potraka? Nidaraboka amam-potaka?
Fanadiovana : manoratra !
Na kabôsy, na gitara, na valiha, na farara
No maneno sendra eo, raiso kely dia tendreo !
Ny do-re-mi-fa-sol-la-si injay voarindra lasa feo:
Feon-kira soa mandravaka 'reo teny izay nalahatra .
Ka 'lay entana mavesatra, lasa maivana, malefaka ...
Ho kaloiko ho anao ity hira vaovao
Rehefa 'lay izaho sy ianao miaraka mipetrapetraka,
Miala voly, miala reraka ...
Na kabôsy, na gitara, na valiha, na farara
No maneno sendra eo, isika roa hampiara-peo.
Tampoka hifampiantsampy !
Fitia mandoro tsy afa-miandry !
Bitsibitsika sy kiaka indray no tononkirantsika,
Sefosefo no mozika !
Afaka ny sorisory ... Rendremana aho ...
Ianao matory ...