Dia mbola nindramiko indray ny elatrin'ny rivotra avy antsinanana hitondra ho
anao ny hafanana sy ny taratrin'ny masoandro miposaka vao maraina. Eny nafarako
mafy iny rivo-malefaka iny mba hanatitra any aminao koa ny hanitrin'ny voninkazo
etsy an-jaridaina ...
Tonga soa ny hafatra fa indro nihofahofa ny volonao olioly. Nievina ianao fa
mahatsiaro anao mafy loatra aho...
Mahay tia ireto tanora roa samy tsara. Gohiny fatratra tsy misy
miangana ny tsirom-pitia tapitr'ohatra, ka any an-tampon'ny "toa
tsy ho faty" izy roroa no miantsona faly ery ! Vonto ny
hanitrin'ny fitia ny efi-trano.
Trimofoloalina 'zay zalahy
'Zany ka mazana
Trimofoloalina 'zay zalahy
Tena tia tanindrazana
Nankaiza nankaiza e
Ireo olo-mangan'i Gasikara
Fatritran'olona manta-mohaka
Ve no hanoratra ny tantara?
b.r 12/12/2009
Tsara famindra
Toa tsara famindra ny lehilahy
Ny fo sy ny loha feno fifaliana
Mahitsy fijoro toa tena sahy
Fa manam-potoana amin'ny olon-tiana
b.r. 12/12/2009
Nandihy "slow" taminao
Hovitrovitra no nanenika ny tenako manontolo. Toa nisy herin'aratra. Nangorintsina hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako. Voalohany nanaiky handihy "slow" tamiko ianao tamin'iny takariva iny. "When a man loves a woman" no hira nolalaovin'ny tarika nampandihy tamin'izay ... Natsiro ery ny hanitrin'ny volonao sy hodi-tavanao. Ny kasokasoka malefaka tamin'ny tratranao nampientanentana ny nofoko sy nampangotraka ny rako. Nivoajamala ny saiko adaladala ... Toa voahitsako indroa sa in-telo ny tongotrao ?
nosoratan'i Lanto Harinosy ho setrin'i "Sao dia mba ianao", Bana Jean Marline
- Ndao handray posy ry nenitoa! Maro loatra koa ireto entana ka tsy hozakantsika hatreny amin'ny stationnement!
Fialan-tsasatry ny faran'ny herinandro no nataonay sy nenitoa tao Antsirabe. Tsy nitaingina posy akory na indray mandeha ka izay no tena nisisihako fa tsy dia ny habetsaky ny entana loatra. Ireo ankizy tao amin'ny fianakaviana nivantananay rahateo nazoto ny hanatitra anay raha nilaina.
This is a Google Wave. You need to sign in to see it. If you do not have an account yet, email me at
Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
and I will send you an invite to Google Wave.