mpamaliha
Bana Rahalahy



Maro biby sarobidy
ao Gasikara ao
Zava-maniry tsy fahita firy
ao Gasikara ao
Madagascar sur ta terre
des animaux rares
Madagascar sur ta terre
des plantes rares
Pour combien de temps encore?



FihavananaFIHAVANANA eran-tany no hiraintsika androany Fihavanana
"Le Fihavanana à l'échelle planétaire pour un monde apaisé"

NY KABOSY

Misy karazany roa ny Kabosy :

  • Kabosy tapaka (diatonique) : misy tapaka ny fefy (frets na touches)
  • ny Kabosy mitohy (na tsy tapaka, chromatique) : mitohy daholo ny fefy
Kabosy tsy tapaka no hampiasaintsika ato (jereo ny sary etsy ankavia) mba ahafahana mitendry ny karazan-kira misy rehetra.


Ireto manaraka ireo ny teny hampiasaintsika :
  • rindram-peo = accord = chord
  • kle = tonalité = key
  • M... = Majeur = Major
  • m... = mineur = minor
  • fefy = touche = fret
  • taho = manche = fretboard
Ny fomba fanoratra anglisy no hampiasaintsika ilazana ny rindram-peo izany hoe ny tarehin-tsoratra : A B C D E F G , ka toy izao ny famadihana azy amin'ny naoty :
  • ny A dia la
  • ny B dia si
  • ny C dia do
  • ny D dia re
  • ny E dia mi
  • ny F dia fa
  • ny G dia sol

Ny tadin'ny kabôsy


Ireto ny tady azo ampiasaina raha kabôsy velomina G (sol) :
  • tady voalohany : tadin-gitara E (mi) ambany
  • tady faharoa : tadin-gitara A (la)
  • tady faha-3 sy faha-4 : tadin-gitara B (si)
  • tady faha-5 sy faha-6 : tadin-gitara E (mi) ambony
Azonao atao no manandrana tady hafa araka izay feo tadiavinao. Azo atao koa ny mampiasa tady vy na tady "nylon". Misy aza moa mampiasa tadim-pintana !

Famelomana ny kabôsy

Tsara raha mampiasa "accordeur".

Andeha ho jerena ary ny rindram-peo Majeur sy mineur fampiasa matetika :

Sarin'ny rindram-peo

Fomba famaky ny sarin'ny rindram-peo

Ohatra : amin'ny sary voalohany etsy ambony, ny tady voalohany sy faharoa dia tsy tsindrina. Ny tady faha-3 sy faha-4 tsindrina amin'ny tondro faha-2 (fanondro adala) eo amin'ny fefy voalohany. Ny tady faha-5 sy faha-6 tsindrina amin'ny tondro faha-3 (manarapoana) eo amin'ny fefy faharoa.

Ireo rindram-peo Majeur sy mineur fampiasa matetika

Ny rindram-peo G sy Em

Ny rindram-peo C sy Am

Ny rindram-peo D sy Bm

Ny kapoka

Ny kapoka tsotra

Ity ny kapoka fototra iaingan'ny kapoka rehetra. Mila hay tsara izy ity alohan'ny hianarana ny kapoka hafa. Apetraho eo ambonin'ny lavaka ny tanana ankavanana (ankavia raha kavia ianao) :
1- Safoy midina sady malefaka amin'ny hohon'ny fanondro ny tady rehetra
2- Safoy miakatra sady malefaka amin'ny nofon'ny fanondro ny tady rehetra

Ataovy malefaka hatrany hatrany ny tanana eo am-panaovana izany.


Ity ary ny video voalohany. Amin'ny teny frantsay no nanaovana azy mba ho azon'ny maro.


Hitohy ...
  • Hiampy video
  • Ny fianarana manaraka :
    • Fizarana
    • Hira
Miandry soso-kevitra avy aminao eto hanatsarana ity fampianarana ity.

Tononkalo
Poèmes
Poems

Tantara
Histoires
Stories


ny tena gasy

Gasigasy ô ny ao am-po
Gasigasy ô ny ao an-doha
Gasy Gasy avokoa
Na matory na mifoha


Merci aux ancêtres
De nous avoir légué
Une langue maternelle